Revelation of John 4

1Taorin’izany zavatra izany dia nijery aho, ary nahita varavarana iray nisokatra teny amin’ny lanitra. Ny feo voalohany izay reko dia niresaka tamiko tahaka ny trompetra, nanao hoe: “Miakara ety, ary ho asehoko anao izay tsy maintsy hitranga aorian’ireo zavatra ireo.” 2Nisy fotoana aho voatariky ny Fanahy, ary nahita fa nisy seza fiandrianana nipetraka teny amin’ny lanitra, nisy olona nipetraka teo ambonin’izany. 3Ilay iray izay nipetraka teo amboniny dia miendrika tahaka ny jaspa sy karneola. Nisy avana nanodidina ny seza fiandrianana. Ilay avana dia miendrika toy ny emeraoda.

4Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana, ary loholona efatra amby roapolo no nipetraka teo ambonin’ireo seza fiandrianana, niakanjo fotsy, niaraka tamin’ny satro-boninahitra volamena teny amin’ny lohan’izy ireo. 5Avy tamin’ilay seza fiandrianana no nisy tsela-pahazavana, kotroka, ary kotro-baratra. Nisy jiro fito nirehitra teo anoloan’ny seza fiandrianana, jiro izay fanahy fiton’Andriamanitra

6Teo alohan’ny seza fiandrianana dia nisy ranomasina fitaratra, tahaka ny kristaly. Ireo zava-manan’aina efatra dia teo afovoan’ny seza fiandrianana sy nanodidina izany, feno maso, teo anoloany sy tao an-damosiny.

7Ilay zava-manan’aina voalohany dia tahaka ny liona, ilay zava-manan’aina faharoa tahaka ny zanak’omby, ilay zava-manan’aina fahatelo dia miendrika olona, ary ilay zava-manan’aina fahaefatra tahaka ny voro-mahery manidina. 8Ireo zava-manan’aina efatra dia samy manana elatra enina avy, feno maso ny ambony sy ny ambany. Andro sy alina izy ireo dia tsy mitsahatra miteny hoe: “Masina, masina, masina ilay Tompo Andriamanitra Tsitoha izay nisy, sy misy, ary mbola ho avy.”

9Na oviana na oviana ireo zava-manan’aina dia hanome voninahitra, laza, ary fisaorana an’ilay iray izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, ilay iray izay velona mandrakizay doria, 10ireo loholona efatra amby roapolo dia nampiankohoka ny tenan’izy ireo eo anoloan’ilay iray izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana. Miankohoka eo amin’ilay iray izay velona mandrakizay doria izy ireo, ary nanipy ny satro-boninahitr’izy ireo teo anoloan’ny seza fiandrianana, miteny hoe: “Mendrika ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray ny voninahitra sy ny laza ary ny hery. Fa Ianao no namorona ny zavatra rehetra, ary tamin’ny alalan’ny sitraponao, dia nisy izy ireo ary nohariana.”

11

Copyright information for PltULB